You are here: home > Vetso

Tsiro - aft

Azo vakiana?

Tsy foiko retsy ho adinoina
ireny lasa ireny
tsy sahiko vonoina
tsy tiako koa ho afa-tsaona
ilay foko rako-tsento
efa boboky ny taona
koboniko eny foana

       ...ho "foko mbola tia"...
Nahoana moa?...satria
ireo no hany sisa
azo namantarana
ilay fiarahantsika.

Sokajy : Fiononana

Hevitra mandeha

telomahery (24/08/2015 21:58:45)

ny lasa marina tsy fanadino fa antoky ny ho avy.tsara ny mitodika ny lasa ahafahanao mitady lalana vaovao raha araky ny tononkalo no dinihintsika.

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : aft

Nampiditra : fatou
Daty : 14/09/2004
Mpamangy : 1255
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

AIZA HO AIZA
Satria
Mitsikia
Poeta,iza moa ianao?
Poeta iza moa ianao?