Avelao aho - Aleo mitraka
Avelao aho hitomany
Fa ny ranomasoko,hanasa ny tasi-paharesena eo amin'ny tavako
Raisiko ampahalemena ny fahareseko
Antenaiko fa mbola ho avy ny valim-bavako
Avelao aho hitanisa
Ireo efa vitako ka nahandoro nahamay
Ato anatin'ny fahoriana no mamisavisa
Ny fandresena nandrandraiko hatr' izay
Avelao aho hisento
Tsy maninona fa fahazarana iainako izany
Mbola hirodana ny manda-pahareseko
Ka handositra ahy ny jaly sy tomany
Sokajy :
fiainana
Hevitra mandeha
nambinelise (01/09/2017 08:36:12)
03314 (02/09/2017 18:00:39)
Mombamomba
Mpanoratra : Aleo mitraka

Nampiditra : nambinelise
Daty : 01/09/2017
Mpamangy : 1482
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
IanaoNy fiainany
Ianao ilay mpiatsaravelatsihy