You are here: home > Vetso

FITIAVANA IZANY - Alyrah

Azo vakiana?

FITIAVANA IZANY…

Tsikitsikim-paradisa
fa isika hampiara-dia,
somebiseby vao nitia
rediredy an-ndry ny aty.

Hafaliana  tsy homby tratra
tsy hitanondrika, hitraka,
tsy tafatombina amin’ny tany
te hiala mandry tsy ampy taona.

Horihory, fendronfendro
sorisory, fenofeno,
toy ny tany karakaina
molotro aza maina kina.

Alahelo, sesilany
fo iray misy lonilony,
vaton-dômy toa nandringa
raha ny zavatra nitranga.

Toy izay sy toy izay
raha ny fintina nandalo,
eny, mbola teo ’zahay
nanohy nidola, tsy nidila.