Zara (Alyrah)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Zara


Izaho anie raha nanome, tsy akory mila valiny e !
Izaho anie raha nahafoy, tsy akory ampiana tambiny e !
Fa mizatra aho mba mizara, zay kely sisa hananako
Dia mba mianatra mirary, izay mahasoa ireto namako
Fa ny vokatry ny fo hono… no mba mampifaly saina
F’efa mba nomeny tombotsoa, raha mbola tratra ny maraina.

Hafa koa ny manome, fa tsy hoe ratsy ny mandray
Mbola ho tody valisoa, any ho any nefa tsy hay
Aza kivy fa tohizo, foana foana ny mizara
Rahatrizay hoa mbola hihoty… Ilay tsy manampiafara.

Alyrah Juin 2026
--------
Rohy:
10 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0157