You are here: home > Vetso

TSELATRA - Alyrah

Azo vakiana?

TSELATRA

Tsy ny hakatonon’ny endrikao
na ny angolan-teninao,
no nanaitra izany tory
mbola renoka aok’izany,
fa ny fahatsapako ilay tsy hitako
ilay nambaranao ho fantatro,
izay hinoako fa tsy ho fitaka
hanazava indray ny lalako…

Tsy ilay tsikinao nirindra
na ny dolanao namindra,
no nalatsapaka ilay mba tsapako
f’ilay zava-mahagaga!
nahatalanjona ny saiko
tsy peta-toko, langalanga
namelombelona ny aiko,
ny any sisa reko
foana hatreo ‘reo sentosento.

Tsy ny bikanao izay lafatra
no nanosika ahy hamantatra,
f’ilay vinan’eritreritro
nahafahako nitazana,
sy nahafahako nizara
tsikitsiky na tomany,
nanambarako tsy an-kisala
fa ny foko anie tamana!

llay fiainam-pahazarako
nofy ihany tsy tateraka,
hofafako raha ny lasako
fa mba hiezaka aho hametraka,
sy higoka fiainan-tsambatra,
fiainana eo anilanao …  

Alyrah

Sokajy : Fitiavana