Hevitra momba ny Manam-petra

Hiverina amin'ny Manam-petra
Fenohery ( 02/06/2006 13:28)
Sao dia tsy mety loatra rise ny miforitra anaty ah? Ary moa mba efa nosaininao koa ny embona mandazo ny fitiavany! Raha nalaiko fanahy izy mba hilaza izay ao am-pony, dia tsy amim-piambahambana no nilazany hoe:

Mitakosin-drahomainty izato lanitra eny ambony
Niha nanonja vetivety ny ranomasina izay tony
Fa ny fitiavako anao safononoka hatrany
Na dia tsy tsinjoko endrika any an-tany lavitra any

Niha nalazo vetivety iretsy vony an-jaridaina
Toa nanjary haizim-pito misandratr’andro vao maraina
Ny foko anefa sahy miredy ary tsy miambakavaka
Fa ny fitia izay nodradrainy dia ianao no tompon-daka

Niha iva feo miandalana ny vazom-borona eny an’ala
Ny danik’andro mahamay nosoparan’ny fanala
Fa ny toko omeko anao dia ny ho mandra-maty
Ka soraty ho tadidy sy ho latsa-paka anaty

... ny setrasetranao ry tany tsy hamoizako ny tiako
Na ny ngidy na tomany hiaretako hiafiako
Izahay voasara-toerana tsy maninona fa tantiko
Fa raha sambatra izy any dia mba faly ny ato anatiko
Fenohery ( 02/06/2006 13:31)

fiaritiana ( 06/06/2006 20:38)
tsara be ny tononkalonao sady tena milaza ny tena zava misy!!
tohizo fa tsara
ANARIM ( 07/06/2006 08:15)
Fenohery : faly b aho namaky ireo soratrao ireo! Misaotra.
Fiaritiana : ary ianao mazoto mamaky ny asa soratro an, misaotra betsaka e!
tizia ( 05/10/2006 16:13)
loin des yeux zany proche du coeur tena marina izany tohizo fa tsy ho ela ny boky rah zao foana
ANARIM ( 06/10/2006 06:57)
tizia : misaotra fa le izy koa tsy hamoaka boky fa mba miainga fotsiny ndraindray!
Hampiditra hevitra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0092