DIMY TAONA SAHADY - andony
Azo vakiana?
I-Efa dimy taona sahady
Ilay indray Alahady
Nitataovanay ny rahona
Dia ny rahon’ny fisaonana
II-Dada a! dimy taona anie izay
No nandaozanao anay
Ka i Mama samy irery
No niatrika ady teny.
III-Tena mafy taminay
Raha izay dimy taona izay
Fa ianao ilay nihantana
No nandao anay tsy tàna
IV-Natao ny fitsaboana
Sy izay rehetra azo natao
Hatramin’ny vavaka fifonana
Mba hitazonana anao
V- Kanefa ianao tsy tàna
Satria ny anao efa voalahatra
F’Ilay Nahary manam-pahefana
No efa niantso anao hitsahatra.
VI-Raha azoko natao
Dia ho niresaka aminao
Hoe: nanahoana izahay
Tamin’izay dimy taona izay
VII- I Tiana sy Hanitra
Dia samy mila ravinahitra
Ary izahay sy hery
Dia samy mikofokofoka eny
VIII-Tehanotany angamba ianao
Hoe: manahoana izay
Ary mba aiza ho aiza izao
izy roa mirahalahy?
IX- I Andry sy i Faly dia samy mbola mianatra
Ary tsy maintsy nanaraka an’i Hery any avaratra
Ka na i Mama koa aza tsy tamàna irery
Fa dia nanapa-kevitra hanakaiky an’i Hery.
X- Tsy hoe andro miavaka ny androany
Ka dia nahatsiarovako anao
Ary tsy hiverina hitomany
Na hifaly amin’izao dimy taona izao.
XI- Fa raha vao nifoha ka nahatsiaro anao
Dia noraisiko ny peniko fa hiresaka aminao
Ka ity no atokako ho tsangambatonao
Ho fahatsiarovana amin’izao dimy taona izao.
XII- Ndao matoria ô ry DADA TIAKO
Ka ny vavaka ataoko ho faniriako
Dia ny hifankatiavanay amin’ny taona rehetra sisa
Ary ianao kosa hiadana ao am-paradisa.
Andony
26 Janoary 2014
Hevitra mandeha
andony (03/01/2015 09:01:21)
Tena fiainanay io nosoratana io. I Tiana no vavimatoa arakarahin'i Hery dia izay vao ny Andony i Hanitra faravavy arakarahin-dry Faly sy Andry
Mombamomba
Mpanoratra : andony

Nampiditra : andony
Daty : 11/03/2014
Mpamangy : 1471
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
NY NOELINAY ANIOITY NOELY ITY