You are here: home > Vetso

NY NOELINAY ANIO - andony



1. Ny Noelinay anio, ry Tompo ô noho Ianao
Ka hosana sy hobio, no injao manako ao
Fa androm-pamonjena, fanavotan-dehibe
No atolotrao sesehena, ho an’ireto marobe.


2. Ny Noelinay anio ry Tompo ô  irinay
Mba ho Noely fankasitrahanao anay
Ka ny fiderana sy ny Antema izay atao
Dia mba ho tena hanitra ho ankasitrahanao.

3. Nekenao ry Jesosy tia ny hidina ho ety
Nekenao tokoa satria, mba hamonjy ny mania
N’iza n’iza eran-tany, manan-jara avy aminao
Ka ho Noely tena mamy izao Noelinay izao.


4. Ry Jesosy zazakely izay nitondra Noely soa
Irinay mba hiely ny fitiavanao ho anay koa
Ny omaly efa lasa, fa ny anio sy ho doria
Ireto olonao mikasa ny Noelin’ny FITIA

Sokajy : Krismasy

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : andony


Nampiditra : kasa
Daty : 03/01/2015
Mpamangy : 1808
Mankafy : 2

Tononkalo hafa

ITY NOELY ITY
DIMY TAONA SAHADY