ITY NOELY ITY (andony)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ITY NOELY ITY1- Ity no Noely faha efatra ambin’ny folo sy roa arivo
Efa firy tokoa moa izay no lasa ? mba tsahivo.
Sa mbola hiandry Noely hafa indray
Sao dia ho diso aoriana loatra fa mba aok’izay!
2- Ity Noely ity no krismasy fankasitrahana
Na ny kely na ny lehibe mahazo fahafahana
Ka ny hevitrao no sisa, ny finoana aoreno
Dia hoazonao tokoa ilay fankasitrana feno.
3- Ity Noely ity dia mitondra famonjena
Ho an’izay rehetra mino ary tena manantena
Fa hahazo fiadanana na dia ety an-tany ety
Kanefa kosa miaiky fa mpamonjy i Kristy.
4- Ity Noely ity dia azo hambara ihany koa
Fa andro iray lehibe feno firarian-tsoa
Ho an’ny mino rehetra sy izay manaraka azy
Ary tena fiainam-pifaliana ho an’ny mpianakavy
5- Eny e! raha atao indraim-bava ity Noely ity
Dia andro lehibe izay nahaterahan’i Kristy
Ka ny fiadanany dia ho ety ambonin’ny tany
Ho amin’ny olona rehetra izay ankasitrahany.
.
--------
Rohy:
Sokajy :
Krismasy
Mpakafy:
haraldtohaina