dia ho foana ny satria (Andrin'ny Avo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
tiako ianao satria, anjara nosafidian'ny foko
ka ho ataoko sanatria, hampijaly hampitoloko.
Mbola ho tiako ianao satria nofinofiko hatrizay
'lay zaho sy ianao nifankatia sy hikambana ho iray.

Dia satria tiako ianao dia iriako ho zaraina
hiara-mitazana aminao ny fiposahan'ny maraina;
Ny hatsaranao mamirapiratra, io no hany sisa tazako,
misoritra eny an'endrikao ny masoandro akia rahavako.

Aza omena tsiny aho f'indraindray mbola sarotiny
satria ny fitiavako rehetra, efa ianao no tompony
satria sa nahoana 'lay foko, babo tsy hay tohaina?
injay renao ny aty foko mivazavaza, mitaraina:

tiako ianao ka nohadinoiko ireo satria,
tiako ianao, indro tsapako hatraty,
tiako ianao fa tsy aiko ny mamindra
ho anilan'ny fonao r'ilay hany tiako indrindra,

satria tsy hay zaraina satria be 'zay nolazaina
satria ny ahy, fitia tsy hita ho tantaraina,
fa anio ny fitiavako, hanafoana ny satria,
f'indro tiako ianao... eny tiako ho doria.
--------
Rohy:
1567 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0097