You are here: home > Vetso

Ny ao am-poko - Andrin'ny Avo

Azo vakiana?

Ny rako miboika miantsoantso injao
midoboka amponga ny an-tratrako ao,
mively kobay, mandondona tsy lao,
marary ny foko fa manina anao,


Ny eritretro niery ka lasa nankany,
nitety ny onja namaky ny tany,
namonjy ilay tiako mimandry any ho any,
nizaha ny sisa zay mbola tsy lany,


fa ory ny lanitro nivari-ko mara,
nanakotsa ny lambako ambony farafara,
mainty androany ny pejin-tantara,
ka tolory gaoma aho mba hangarahara,

hiseho ny am-po hiravaka mena,
fa ao 'lay fitia niaraha nekena,
dia hitia anao na ho maina na lena,
ka tsy hiato aho ry tiako, fa mbola hanantena.


30/08/11

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha