Embon'ny mpamboly (Andrin'ny Avo)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mihitsana ireo ravina, imasoko mandalo,
mihintsana toa azy koa ireo dina nantenaiko,
fa nangiana sy nanjavona, nitsahatra nikalo
ny voron-kely manga feo, izay tiako, notezaiko.

Ny jaridaina voavotra fa tsy hamelana ny lisy,
ilay masoandro hoe hipoaka toa niserana indrisy,
indreo ny rano izay natondrako nitombaka tan-tany,
tsy nitondra aina ho azy, injao ritra, injao lany...

Dia mba lasa saina ihany aho nibanjina ny sahako,
fa toa tany karakaina no nandaniako ny asasarako,
inona ary no mba vatsy andeha homeko ny malalako?
tsisy atolotra aho indrisy ho porofon'ny fitiavako...
--------
Rohy:
Sokajy : Hanina - embona
2467 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.01