Mila anao aho (Andrin'ny Avo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
vongan-dranomaso nikorina tan-takolako,
tandindon'ny ankaso nohazoniko hatrizay,
kinanjo, nilefa ny fanahiko, nibahana ny olako
ka ny tsiahy sy ny ahiahy no niverina indray.

Dia voarakitra tan-tsaiko ny tandindon'endrikao,
fotoana vitsivitsy monja, nofinofy mangingina
avy eo niverenako tan-tany, tamin-kery vaovao!
nisy vongan-dranomaso latsaka izay meda fikoriana.

Nefa ny handà ny fanantenako, dia ny handà anao,
voameloka aho angaha ny niaina fotoana fohy tanilanao,
fotoana kely dia kely, nefa nameno ny hasambarako,
sarobidy loatra tamiko, fara-tampon'ny tantarako

mila anao aho re ry tiako, ho hazavako, ho masoandroko,
mila anao aho ho fifaliako ary ny anao no hany tanjoko,
mila anao aho mba hitsabo sy hanasitrana ny rofiko,
mila anao aho ho tantanako eny hatrany anaty nofinofiko,

mila anao aho ho andrianiko, hametrahako ny tokiko,
mila anao aho ho penina sy taratasy, hanoratako ny bokiko,
mila anao aho mba hanampy ahy hanorina ireo fototry ny hoaviko,
mila anao aho hitia ahy, mila anao aho mba ho tiaviko!

ka ny ranomasoko nakifiko, ny masoko nakipiko
ary ianao no indro fa navelako hameno sy hanenika ahy,
mampangorintsina ny vatako hatrany anaty nofoko,
satria tiako ianao efa hatrizay, dia ho tiako tiako ratrizay


--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1729 0
Hevitra mandeha
nnn1 ( 29/11/2010 08:54)
tena milay !milay be! tsara e! tohizo hatrany!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142