Fitia antsary monja (Ankoay Matotra)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Sarotra madama ny hilaza ilay fitia a...
Tsy tiako manko ny hoe: ahoana koa ity bandy ity?
Dia aleoko ny ahy fihinina iniako tsy ho lazaina
Ny sarinao no sisa matetika savaina...

Hiteny koa anefa matahotra ny ho lavina.
Indrindra mety hahazo hoe: bandy mahatsiravina.
Mangina re no mety e...sao ho diso fanantena
Ho lavitry sarinao raha toa ho bolaokena.

Dia hitsetsetra fotsiny no hany azo atao.
Miezaka mampihanjaka izato sarinao.
Torotoro anaty manonofy mifajijitra.
Mankafy ireo sarinao dia indro fa mihinjitra...

Dia ho voafetra hatreo ve ka ho zary nofy antoandro
Ilay hahita anao mivantana fotsiny misolo akanjo?
Asa re fa hirariana na dia revirevin-gadra
Izany tia sy ho tianao r'ilay madama antsary manja.
--------
Rohy:
674 1
Mpakafy: hery
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ankoay Matotra
Nampiditra : hery
Daty : 17/09/2019 17:16
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138