You are here: home > Vetso

Hamboly fiadanana - Ankoay Matotra

Tsy ilay nandalo teto ihany no hamafy fiadanana
Fa isika roa hamboly ilay tena vitsy mpanana
Ilay fiadanantsika akia tsy ankilazalaza
Raha tsy ampy izay voavoly dia andao ampiana zaza.

Hamboly isika akia fa tsy aiza no hanantena a.
Hoporofointsika fa ny zanaka no harena
Hivavaka isika aoka ny aina no hateza
Fito lahy sy fito vavy ka ianao no mahereza.

Isika roa ihany no hamorona ny lanitra
Mba hisambarantsika, hiadana ho finaritra.
Sy ireo zanatsika hifaly havanja, hifanaretsaka
Handresy manko isika amin'ny isa tena havesatra.

Malala a!
Mbola lavitra ny lalana fa aoka tsy ho reraka
Fa raha ny ato antsaiko...mbola ho be ny zaza ho ateraka...

Dia izao koa Malala!
Marina tokoa ilay silakao fa bandibandy
Kanefa ito tononkaloko fotsiny io mba sangisangy

Ka itsikio fotsiny...

Ankoay Matotra

Sokajy : Fitiavana

Mombamomba

Mpanoratra : Ankoay Matotra


Nampiditra : hery
Daty : 10/09/2019
Mpamangy : 84
Mankafy : 1
Ankafizo

Tononkalo hafa

Fitia antsary monja
Tsy izy akory no Andriamanitra ivavahako

Hevitra mandeha

hery (10/09/2019 14:50:05)

Fitiavana daholo izany :-)

Hametraka hevitra

Midira aloha