Tsy izy akory no Andriamanitra ivavahako (Ankoay Matotra)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy izy lesy akory no Andriamanitra ivavahako a.
Fa izy kosa mendrika mba ho ilay fakan-tahako.
Ilay fahatsoram-pony no mba raisiko ho filamatro
Maninona raha izy moa no ho mba soa fianatro?

Izao tontolo izao anie ny azy no iarehana e
Fa indro izy mbola misedra fanenjehana...
Ny an'ny hafa moa fankahalana no mibahana
Ka fanompana azy aza no mahazo vahana.

Fa indro tonga izy hamafy fiadanana e
Hampahatsiahy indray ilay atao hoe fihavanana.
Izay soatoavina zary efa nambaniana
Natakalo fesoboky feno fihantsiana

Fa ny voamariko dia ireo miseho mahay baiboly
No milaza izao sy izao...tsy ho teneniko intsony...
Manenjika no hainy...izay no hany fantany
Kanefa mampiasa boky nivoaka avy ao avara-patan'ny vatikana tao...

Fa tsy manan-kambo mamorona vaovao...
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
538 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ankoay Matotra
Nampiditra : hery
Daty : 10/09/2019 08:35
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0096