You are here: home > Vetso

Avelao - ANL MIKALO

Azo vakiana?

Avelao aho aloha hiteny
Hiventy ny tenin_drazako
Fa tsy ariako ombenimbeny
Ny tenim_pireneko
.
N'iza n'iza sahy mijoro
Hanakana ny lalako
Na koa hoe hanatorotoro
Izato tenin_drazako
.
Aza misy manohana
Ny mba faniriako
Amin'ny fanandratana
Ny tenin_drazako
.
Aoka tsy ho simbaina
Ilay maha malagasy
Izay efa nolovaina
Tamin'ireo nilaozana
.
Avelao aho tsy hijery
Fotsiny ny tanindrazana
Izay tsy tafiditra lalan_tery
Amin'ny ady mazana

Hametraka hevitra

Midira aloha