Tsy mba tsapanao - ANL MIKALO
Azo vakiana?
Tsy mba fantatrao foana
Rehefa mba mihoana
Mampiseho fihetsika hafa
Eo imason'olon_kafa
.
Tsy nahita lalana jerena
Dia nanjary nienjera
Dia izaho menamenatra
Mitsoaka mandeha mirifitra
.
Tsy mba tsapanao
Ny zava_miry ao
Ka tiako ho fantatrao
Fa izaho tia anao
.
Tsy mba tsapanao koa
Ny fihoanantsika roa
Dia izaho tafotoana
Mieritreritra anao foana
.
Tsy mba fantatrao
Ilay fitia ao anaty
Ka tiako ho fantatrao
Fa mirehitra tsy maty
Mombamomba
Mpanoratra : ANL MIKALO

Nampiditra : Noelson ANDRIANIAINA
Daty : 19/06/2016
Mpamangy : 1162
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
SOMARANOFITIAVANA
VAVAKA
FITIA VOARARA
Avelao
NY FITIAVANA
Tsy anjara
Fitia niantefa
Mitady ilay sakaiza
IANAO NO MASOANDRO