You are here: home > Vetso

FITIA VOARARA - ANL MIKALO

Azo vakiana?

Tiako ianao kanefa
Samy fitia diso fientefa
Nisy olona nandrara
Ka nahatonga ny tsy anjara
.
Isika samy mifankatia
Nefa tsy natao hiara_dia
Fa fitia efa voarara
Ka nivalona 'lay tantara
.
Na tiantsika aza ny hiaraka
Nefa misy ireo manakana
Tsy afaka hanome tso_drano
Ka  voahozina 'lay velorano
.
Na tiantsika aza ny hiray trano
Nefa tsy azo lay tso_drano
Dia tokan_trano voageja
Inoako fa tsy hateza
Noƫlson Mikalo,28/01/17
12h 45

Hametraka hevitra

Midira aloha