You are here: home > Vetso

Raha lavitra azy? - Antsa tononkalo.R

Raha lavitra azy hoe :

Mamariparitra eto, ny volana kakafotra.
Tsy miova fa ny omaly ;
No mbola reko miako...
Ny tsiaro anao rehetra, indro indray manafotra !
Mananika ao an'eritro,
Manerana ny rako ;
Mangorovitsika ahy !
voangaly aho ka voangaly,
Maty an-kazo tokan'ny
fitiavanao tomoetra ;
Ny hery sy fanahy.

Raha lavitra azy hoe !

Manevokevoka eto, ny sento anao tsy tana.
Mivoaka dia misoko,
Avy any anatiko any
mikiry ka mikiry...
Ny emboko anao, mitombo mari-pana ;
Mitanika ny foko,
Maha tora-tsemboka ahy !
Tsiriry aho ka tsiriry,
Tsy mahazo volon-tany,
tsy mety fa sendoatra ;
Fa lavitra aho ry lahy !
Fa lavitra an'alaotra.

Raha lavitra azy hoe ?

Mandondondondona eto, ranomaso mitatao.
Hirotsaka tsy ho ela,
Hanorika ny tava...
Fa mihosotrosodoko,ao amoron-danitro ao ;
Ny tandindon-davan'
ny embona sy tsiahy.
Fa olo-manirery,
Sy lavitra malala !
Marary re ny foko
Manevikevika ahy !
Jorery aho ka jorery,
Mbola mitomanin'
ny alina toy izao ;
Fa manina aho r'ikala !
Fa malahelo anao.

Meteza re ho hafarako,
Ry mianavaratra any ;
Veloma hono hoe:(hoy i*)
Dia ampiaraho ny anarako.

*Antsa T.Rasahobiarinjaka (A T.R) 19/05/17 in*Hianao no mahalala

Hametraka hevitra

Midira aloha