You are here: home > Vetso

Izaho ve no tsy nahay nan - Antsa tononkalo.R

Azo vakiana?

Izaho ve no tsy nahay nanadino
No indreo manatsafa ny lasa
hiodivirako fa tsy mampino
Toa alo-manaraka?. . .  asa!

Tsy nandaitra ny fanadinoana,
fa marefo ny vanim-potaona ?
Sa ny foko no vontom-pinoana
f'ianao dia tsaroko eny foana

raha ny taona nivalona ve
Ts'efa maro dia maro ny rirany
Toa tsy miova ny ngadona re !
Ah mbola, hianao e! Ny hirany

Ny hanadino dia Satriko ihany,
tsy hatsiaro ireo lasa, kanefa :
Ny dian'ny foko, mankany...
Oh mbola aminao no miantefa !

Antsa T.R *hianao no mahalala

Hametraka hevitra

Midira aloha