Latsaka an'embona ! - Antsa tononkalo.R
Azo vakiana?
Latsaka an'embona,
Mba ho aiza ny ravina maina,
fa ihintsana hiala amin'ny taho.
Toy izany ny foko,...Velon-taraina,
Latsaka an'embona, saraka anao!
Njary fisangin'ny rivo-mandalo
Rehefa iny fa latsaka teo
saraka an-taho,indrisy!...mimalo
Oh! Manembona ka mitoreo!
Na rivo-mandalo na rivotra miely
dia tonga mifaoka ary tsy mba mitsetra
tsy afa-manoatra fa ravina kely!
An-tsahan'embona no tafatoetra.
Tafio-drivotra arahim-betsovetso,
mitopatopa ny onjan-talaho!
Vaky e! Ny foko...mitobaka sento
Manembona sisa, fa lavitra anao.
Tsy afaka ho aiza ny ravina maina,
raha mihintsana miala amin'ny taho;
Fa latsaka an'embona velo-taraina
Tsy manan-kery... Fa saraka anao!
Antsa-Tononkalo.Rasahobiarinjaka (A.T.R)
(10/02/15)
Mombamomba
Mpanoratra : Antsa tononkalo.R

Nampiditra : antsa tononkalo.R
Daty : 19/02/2016
Mpamangy : 1092
Mankafy : 2
Tononkalo hafa
Malala FahizayEisy e! Ry lala!
Amoron-takariva
"Mpamaliha"
TONONKALO, anefa hira
Hianao no tononkirako
"Mialohan'ny zavatra rehe
"Oram-panala"
TIAKO HITOETRA
Teny,