Latsaka an'embona ! (Antsa tononkalo.R)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Latsaka an'embona,

Mba ho aiza ny ravina maina,
fa ihintsana hiala amin'ny taho.
Toy izany ny foko,...Velon-taraina,
Latsaka an'embona, saraka anao!

Njary fisangin'ny rivo-mandalo
Rehefa iny fa latsaka teo
saraka an-taho,indrisy!...mimalo
Oh! Manembona ka mitoreo!

Na rivo-mandalo na rivotra miely
dia tonga mifaoka ary tsy mba mitsetra
tsy afa-manoatra fa ravina kely!
An-tsahan'embona no tafatoetra.

Tafio-drivotra arahim-betsovetso,
mitopatopa ny onjan-talaho!
Vaky e! Ny foko...mitobaka sento
Manembona sisa, fa lavitra anao.

Tsy afaka ho aiza ny ravina maina,
raha mihintsana miala amin'ny taho;
Fa latsaka an'embona velo-taraina
Tsy manan-kery... Fa saraka anao!

Antsa-Tononkalo.Rasahobiarinjaka (A.T.R)
(10/02/15)
--------
Rohy:
1190 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143