manorata (Antsa tononkalo.R)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Manorata ianao poeta

F'ireny tononkalo ireny,
na aza anio marivo
tsy mahatakatra hadivory
Mbola ho lalina rahapitso
sy amin'ny taona arivoarivo
mety hatoraka kamory

manorata ianao poeta
na tsy fantatra aza
fa ny soratrao mitoetra,
mbola hanana ny akony
f'ireny tononkalo ireny
tsangam-bato manan-daza
ho an'ny taona anjatonjatony...

...Manorata ianao poeta
manorata dia mahareta...

A T.R 25/11/17
--------
Rohy:
1073 1
Hevitra mandeha
Ajnal ( 05/03/2018 05:55)
...eny,manorata hatrany
fa ny soratrao rehetra
dia angonangona any ho any
tsy mandalo fa hitoetra
mba ho tsiahy refa maty
...manorata ianao ry poeta...
antsa tononkalo.R ( 06/03/2018 12:39)
Marina dia marina tokoa,
Telina lehiretsy a!
Ho ela velona ny literatiora Malagasy.
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0112