You are here: home > Vetso

Mitafy rongony fotsy... - Antsa tononkalo.R

Azo vakiana?

Mitafy rongony fotsy madinika ilay poeta. Mifono, mitafy.... Hatsarantarehy.
Mihira izy... Tahaka ny an'ireo vorona an'ala,
tsy amin-kira,tsy amin-tonony
Ka indro velonkira izao tontolo izao.

Mitafy rongony fotsy madinika ilay poeta.
Mitafy, mifono... Hatsarampanahy.
Mahatsiaro izy... Dia miverina ny lasa,
manao kisarisary eny am-parataza-maso.
Ka miaina fahatsiarovana izao tontolo izao.

Mitafy rongony fotsy madinika ilay poeta...
Mifono, mitafy... Hatsarantarehy.
Malahelo izy... Dia maloka ny lanitra,
ary ny ranomasony mpitrapatraka,
Mamonto ny tany.
Ka ontsan'alahelony izao tontolo izao.

Mitafy rongony fotsy madinika ilay poeta.
Mitafy, mifono... Hatsaram-panahy.
Mitsiky izy... Dia mirana ny andro,
miloko manja ny avana.
Ka velombelombolo izao tontolo izao.

(Dia tahak'izany hatrany.... .....)

Mitafy rongony fotsy manidinika ilay poeta.......
(...)

Antsa Tononkalo.R 16112018

Hametraka hevitra

Midira aloha