ny senton'ny foko, ravinkazo nanitsana, (Antsa tononkalo.R)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Alahelo tsy fanta-piaviana !ny senton'ny foko,ravin-kazo nanintsana ;
Ka mbola ny sisa no hampaniriana.
Toa Kilalaon-jaza... raha re mikorintsana,
tsy mba tsy nahy fa tena hiniana !
Ka moa atao ahoana no hanaisotra izany?
Amin'izato alahelo sy ny ditraditrany
Raha tsy avela hisento vao mainka hitomany !
Ny embona anao, amin'isa-minitrany ...
Kanefa avelao...Avelao re hisento eny foana ,
rotsio amin'ny sento raha mety hafak'andro
Mba hitonitony... mba tsy hinaonaona,
raha manina anao amin'ny mody masoandro !
ehhh sento hany sisa mitaiza ny foko ,
Toa zaza navela... Tomany mpitaiza !
Toneko amin'ny sento àry dieny tsaroako ;
Izany alahelony,tsy fantatra...avy aiza ?
A.r 12/03/2018
--------
Rohy:
Mpakafy:
lehilahytsyresy - leonniemada88
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : Antsa tononkalo.RNampiditra : antsa tononkalo.R
Daty : 15/03/2018 08:56