Hanitra ianao (Antsatnk)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hanitra ianaoka dia mamerovero
Mameno tontolo ny ahatsaranao
Hanitra ianao
ka dia manentoento
Mamaky abakabaka ny ahakantonao
Eny ry lala
Hanitra ianao ka mandalo miserana
Mantsy ry tiana
Ny zavatra hiriako mba hitoeranao
Nefa indrisy
Hanitra ianao ka natao ho mpandalo
--------
Rohy:
Sokajy :
Fitiavana
Mpakafy:
voniala
Hevitra mandeha
mamps
(
01/09/2007 16:15)
ho ani Antsatnk,
nafinaritra ahy loatra ilay tononkalo ka nadramako nasiana feony. ra tianao d omeko anao ilay izy.
nafinaritra ahy loatra ilay tononkalo ka nadramako nasiana feony. ra tianao d omeko anao ilay izy.
voniala
(
09/10/2007 10:40)
mora voasariky ny randram-bao mandalo ny mpanoratra.Tsy mahagaga raha nahavoaka ny sora-kanto,na izany aza milay é!
Malalason
(
31/12/2007 12:38)
na ianao nandalovany aza anie ka mandalo to azy ihany koa e! mahereza aza kivy...