Embona (Antsatnk)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Maizina manoatra ny alina mikitroka ny akon'ny maraina,
Milanja hirifiry toa reko mangatsiaka 'lay raozy an-jaridaina.
Tsinjoko milonjy ny jalim-pahoriana ny alina mihavoasa,
Indro mitomany sy ontsan-dranomaso ny lanitra efa osa.

Itsy manirery nilaozan-naman-tiana ilay zaza milalao,
Ny andiam-borokely tanatin'ny kirihitra nilaozan-kalo injao.
Iny indray nidola,miaraka misento ireo onjan-dranomasina
Ireo ratsadratsan-kazo setrasetrain'ny rivotra miara-mitsikasina.

Dia iny fa nimalo nanaha-doko ny alina ny andro vao misadratra,
Ilay tara-masoadro vao nosembanan-drahona dia indro fa niambatra.
Dia toy izany ny eto manjombona maraina marainan'ny ririnina,
Fa lasana ilay tiana,lasana nandao tsy hita ho fihinina.

Ny alaheloko azy mamaky lohasaha,mananika ny havohana
Ny fitiavako azy tsy hitako ho soloina fa reraka misaona.
Fa io ianao ry voahary mahita ny tontolo vangio ilay malalako,
Dia izao,lazao azy fa efa miala aina ho faty ny fitiavako.
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo
1404 1
Mpakafy: voniala
Hevitra mandeha
voniala ( 12/10/2007 06:25)
Taratry ny literatiora malagasy izao tononkalo izao
pissoa ( 09/02/2008 22:45)
kanto dia kanto ! mankasitraka !
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Antsatnk
Nampiditra : Antsatnk
Daty : 12/10/2007 06:16
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138