You are here: home > Vetso

FIAINANA - ARA

FIAINANA


Fiainana !
Hiaino tsotra fotsiny fa aza asiana ahiahy,
Hiaino mora ihany fa aza sahisahy

Fiainana !
Hiaino am-pifaliana f’aza ilaozana sondriana,
Amin’ny ady efa ho lava,
Sao ho sarona eo ny tava,
Ka tsy hanam-pitsikiana amin’ny fiainana mandalo,

Fiainana !
Aza asiana sasin-dresaka
Natao hampifezaka ireto vatana efa godro,
Aza asiana sasin-teny,
Natao hampihena ireto heriko efa kely,
Fa hiaino tsotra ihany,

Fiainana !
Fiainana mangidy tsy ahitako izay mba maminy,
Fa fiainana tangena, tsy ahitana ‘zany vaniny
Fiainana mangidy mampirotsaka tomany,
‘zany fiainana eto an-tany.

Sokajy : fiainana

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : ARA

Nampiditra : radarta
Daty : 06/02/2011
Mpamangy : 737
Mankafy : 1

Tononkalo hafa

IZAY NO FIAINANY
IZAO SY IANAO