IZAY NO FIAINANY (ARA)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Izy anie ka tsy nifidy ny hiasa an-trano lava izao
Izy anie ka mba nanantena fiainana lafatra mitovy toy ny anao eh !
Izy anie ka nandao ny Ray sy Reniny any lavitra any,
Mba hitady izay hivelomany sy hanampiany ny ankohonany


Izy koa anie ka toa anao, mahalala maharary sy mijaly
Izy koa anie ka olombelona mitepo fo toy ny anao
Mahalala hirifiry sy ny ngidiny, ny jaliny,
Mahalala ratra sy tomany satria izay ny fiainany
Tsy mba niriany fa finidiny an-katerena noho ny ny tsy fananany

Izany no fiainany.
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana - fiainana
548 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : ARA
Nampiditra : radarta
Daty : 09/09/2020 12:38
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0136