Ampidiro aloha ny tenimiafina
IZAHO SY IANAO (ARA)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IZAHO SY IANAOIzay rehetra efa niainako,
Sy izay rehetra mbola ho avy,
Na ny fiainako,ny fisainako,sy izay mety momba ahy:
Ny tarainako, ny sentoko; Eny, fifaliana, fihafiana,fitsikiana,
Dia hatokako ho anao
Nataoko ho anao, mba ahasambatra anao
Amin’ny androm-piainanao rehetra,
Mba ho feno tonga lafatra.
Fa raha ny amiko indray,aza asiana eritreritra,
Fa ny fiainako rehetra efa vita faritra sy fetra ho anao.
--------
Rohy:
Sokajy :
Aingam-panahy - Fitiavana
Hevitra mandeha
hery
(
18/02/2024 11:52)
Izaho angamba no tianao lazaina.
