Antso! (Arast RASAMUEL)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ANTSO

Raha sendra nanopy maso
Ny tantaran-tsika aho dia
Toa vonton-dranomaso
N’aiza n’aiza no aleha

Ndraindray toa mifandramatra
Toy ny aliaka
Tsy misy resy lahatra
Fa zary mifanditra

Aiza ilay fitiavana
Nolazaina fa hoe lafatra?
Aiza ilay fo
Nilaza hoe tia tokoa?
Aiza ilay tanana
Nolazaina fa itantana?

Toa avonavon-dava
No mameno izato tava!
Toa monjomonjo foana
Refa injay isika hiaona

Nefa raha zohina
Efa-taona zay no lasa
Sanatria ve dia ho ariana
Toy ny tsy nisy nokinasa?



Mba mandiniha re ry foko
Fa tsy vitan’ny toloko
Raha hibanjina ny ho avy
Ndeha hifamela ka tsy ho vazivazy

Ianao ve tsy mahita
Hoe raha toa mifankatia?
Na sedra mafy aza vita
Raha toa ka miara-dia

Tsy tsapanao ve
Fa raha toa ka mifanaja
De ho hasambaram-be
Ka tsy hisy ny ady lava?


13/04/2010 12:22
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
989 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Arast RASAMUEL
Nampiditra : arast
Daty : 04/09/2010 08:44
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138