FETIN-TSIKA ANIO (Arast RASAMUEL)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FETIN-TSIKA ANIO


Fety tsy azo ho adinoina
Ka tononkalo no ndeha ho kaloina!

Maro ny lalana nodiavina
Nisy ny ratsy tsy azo lavina
Fa nitoetra kosa ilay fitia
Fitia efa natao ho doria

Efa ho dimy taona lasa izay
Isika nitambatra ho iray
Dimy taona tena mamy
Satria ilay fitia tsy nety lany

Na dia tao aza ny tandrifin-drahona,
Nihezaka,nikasa ny ampisaraka
Ka na dia nangidy toy ny vahona,
Ilay fitiavantsika tsy nety raraka,

Ndeha re aho aloha
Hifona ireo ratsy vitako
Tsy hisy intsony ny ratsy teo aloha
Fa ny hasambaranao no sitrako.

Meteza re ianao
Hamela ahy izao
ka ndeha hiara-paly.
Fa tsy toy ilay omaly.

Ankehitriny,
Manoloana izao fety izao,
Adinoy ny ratsy fahiny
Fa ny tsara no hiarahako aminao.

Tiako ianao,
Toa teny efa mankalao
Nefa lazaiko anao anio
Fa tsy am-bava fotsiny io!

Tsy am-bava io satria,
Ilay fitia izay nambarako,
Dia fitia tena fitia,
Tao anaty no noloarako,

Lazaiko anao ihany koa,
Fa fitia tsy noforonina
Ary fitia tena soa
Na dia hoe notononina.


Ndraindray a manontany,
Nahoana ianao no tiako?
Tsy mbola voavaliko nefa izany
Fa ny fantatro dia ianao ilay nofidiko.

Nahoana indray ary no ianao no nofinidy?
Dia mbola tsy haiko ihany hoe nahoana!
Mino aho f’ilay Ray no nanandrify
Ny lalan-tsika mba hiaona.

Ndeha ary hapetra-tsika
Ho eo ampela-tanany,
Ny ho avy mba tsy hisy i-pika,
Satria ilay Mahery no anarany.

Vavaka ary no ndeha hamaranako azy,
Vavaka ho antsika, ka tsy ho vazivazy,

Ry rainay ô! izay any an-danitra,
Tantano izahay amin’ny lalana aleha
Ka mba hiadana finaritra
Eo anilanao sy ho hasambaram-be!

Mangataka izahay,
Esory ny fankam-panahy
Satria ianao ry Ray,
No efa nampiray anay!

Arast RASAMUEL
05/02/2011
--------
Rohy:
961 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Arast RASAMUEL
Nampiditra : arast
Daty : 31/03/2011 12:58
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
Tononkalo hafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0135