MIANGAVY (Arast RASAMUEL)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MIANGAVY

Miangavy re ry tiako
Miangavy mba avelao
Irony ratsy vitako
Ka ho fiainam-baovao

Miangavy re ry tiako
Aoka tsy ho ravana
Ilay fitia nokoloiko
Fitia mbola mafana

Miangavy re ry tiako
Ifonako ny vitako

Honerako ny lasa
Ka ny ho avy nokinasa
No nde ho banjinina
Ka ho hafanana fa tsy ho ririnina

Miaiky aho fa diso
Tamin’ny fihetsika, fiteny
Jereo re ry piso
Fa hiova avokoa ireny

Miangavy re ry tiako
Raiso ny fivaloko
Fa tsy amerina ny ditrako
Satria ianao no malalako

Meteza re ianao
Mba amela ahy izao
Teny fohy ny ahy
Fa tsy mapiahiahy

Vonona aho ry tiako
Vonona hiova ho olom-baovao
Satria ny faniriko
De ny ho eo anilanao

Ra ny fiovàko no ilaina
Mba tsy andravana ilay fitia!
Vonona aho, na alina na maraina
Hiova ho an-drÿ !

Tsy resaka na sangy
Ity tononkalo ity
Na koa hoe vazivazy
Fa fitia tena fitia

Fitia tsy noforonina
Fa efa tao anaty
Fitia efa vonona
Ho anao mandra-maty

Meteza ary re ianao
Hamela ny adisoako
Miangavy mitalaho
Ny ratsy re hifonako

Nde ary re!
Raiso ny tanako
Fa ho hasamabam-be!
Ho anao re ra havako!

Arast RASAMUEL
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1319 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Arast RASAMUEL
Nampiditra : arast
Daty : 31/03/2011 12:48
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0137