MBOLA HO TIA VE? - Arlisoa
Azo vakiana?
Tsy haiko.Tsy fantatro.
Fa ny hany hafatro,
Raha toa hahita azy ianao
Dia lazao sy ambarao.
Fa mbola tia azy aho.
Na anio.Na ho rahampitso
Na ho in_droa na ho impito
No hihaonanao aminy
Dia bitsiho fa ianao no maminy.
Sy tsy handaozako ny akaniny.
Asa anefa.Tsy haiko koa,
Na mbola holaviny ny tempon'ny fo.
Fa amiko.Dia izy irery no tiako.
Satria izy foana no tena nijaliako.
Saingy mbola ho tia ve izy?
Mombamomba
Mpanoratra : Arlisoa
Nampiditra : ArlisoaDaty : 02/10/2014
Mpamangy : 2081
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
Tsy ho ahyHanoratra aho ho anao
Alahelo anao
Fo maratra