Tsy ho ahy (Arlisoa)

(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ianao?Lay niraikitra ato an_tsaiko,
Lay kalo tsara rindrako,
Lay hany mba lalaiko,
Lay arahan'ny famindrako:
No nandao ahy.Satria
Lay safidy nofinidiko,
Nolazaiko.Fa hoe tia
No tsy maintsy koa narindriko.

Eny ianao!No lay hery fianteherako,
Raha sendra aho ka ory,
Sy mba hany reharehako,
Raha izaho tojo sorisory.

Saingy,tsy ho ahy akory ianao.
Fa efa nanana nofinidy,
Hiara_dalana aminao.
Anjara!Tena mangidy
--------
Rohy: https://vetso.serasera.org/tonokalo/arlisoa/tsy-ho-ahy
1936 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Arlisoa
Nampiditra : Arlisoa
Daty : 02/10/2014 07:49
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2023 - page load 0.4211