firy ny fitiavako lasanao? (arnav)

(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ity misy fatorana raozy folo,
Vokatrin'ny foko manontolo,
Izay atolotro ho anao daholo,
De ataovy tsara kolokolo.

Ny fatorany iray misy raozy folo,
Ny raozy iray misy lokony folo,
ny lokony iray misy fofony folo,
Ny fofony iray mitondra fitiavana folo.

Ny fitiavako rehetra no lasanao,
Fataro aingana @ kajinao,
rehefa itanao de mba lazao,
Ary ity foko tokana anjakao.

10puissance40 isa ny fitiavanao ahy,
Lasako avoko fa aza manahy.

Tsila asr
--------
Rohy: https://vetso.serasera.org/tonokalo/arnav/firy-ny-fitiavako-lasanao
Sokajy : Fitiavana
958 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : arnav
Nampiditra : arnav
Daty : 25/07/2017 14:49
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2023 - page load 0.2535