tiako foana izy a! (arnav)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Na iza tsy milamina,
Na iza mangina,
Rehefa tojo izay ho tiavina,
Tsy maintsy misy fikirina

Na iza mihomehy,
Na iza manankina,
Fa ra ny aratsitarehy
Ho takon'amamina.

Maro ireo niserana
sy nandalo teo imasoko,
Izy irery no tompon-toerana
Nahafafa ny ranomasoko .

be tokoa ireo olon-tiana
Efa nampitsiriritra,
Tokana izy tsy ho ariana,
Atao fitia tsy mety ritra.

na ngita ny volony
Izy no efa tiako,
Na petaka ny orony
izy ilay nofidiko.

Izy irery ihany ny ahy
Tsy kambanako @ maro
Satria tovovavy tsara fanahy
De izay no maha saropiaro.

De izao ry zalahy
Olo-tiako izy iny,
Tsy tiako ananan-drafilahy
Fa efa zah no tena tiny.

Raha ny foko manontolo
Efa raikitra ho iray,
Efa lasany daholo
Ny fitiavako hatrizay.

na iza manan-karena
Saingy izy aloha mahantra,
Ny fitiavako azy tsy mihena
Fa izy no efa manitra.

Tsila asr
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana - Fitiavana
1355 1
Mpakafy: arnav
Hevitra mandeha
raims randriamalala ( 28/07/2017 14:15)
raha azo atao tompoko dia ataovy marina tsara ny teny malagasinao fa misy mamaky itony tononkalonao itony, azafady indrindra raha manitsy anao fa hifampianatra isika, mino aho fa tsy hampatezitra anao izany e! mankasitraka tompoko o! ahitsio ny hoe : de => dia, ra => raha,
andrianiko ny teniko fa ny any hafa kosa feheziko, mpanoratra ianao tohizo fa tsara e!!!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : arnav
Nampiditra : arnav
Daty : 25/07/2017 12:24
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144