VALIHA MAY - Aro-Zo
Tinendrin'adala ilay valiha may;
k'indro tapa-jihy
Ireo mpitsiriritra mpaniry hatrizay
indreo rebi-dihy
Ny kalo mivalany sy hira mivaona
midi-mivoaka
injao manako sy miraondraona
imasom-bahoaka
Teo avara-patana izy hatrizay
raha toa tsy tinendry
Ankehitriny efa kila sy may
fa nilaozan'ny hendry
Zavona ireo ranomaintin'ankizy
ka ritra maraina
f'efa voahidy any anaty valizy
ny tena haren-tsaina
Tofoka eny ihany ireo voky taona
eo am-piandrasana
hifohazan'ny lasa tetehin'ny taona
holovina am-pasana
ARO-ZO(26/06/19)
Hevitra mandeha
hery (22/08/2019 14:53:28)
Rehefa amin'ny finday dia soraty tsotra fotsiny, ampidino andalana fa aza asiana elanelana (espace)
raims randriamalala (22/08/2019 16:25:02)
izao mihitsy no andrasana, hitanao zany! tsara be ny tononkalonao rehefa madio sy milamina, tohizo fa tsara e! :) :p
Aro-Zo (22/08/2019 18:58:51)
Mankasitraka dia misaotra ny nandamina
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : Aro-Zo
Nampiditra : Aro-ZoDaty : 22/08/2019
Mpamangy : 251
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
ADY SAHALADISO FITIA