Maniry ! Maniry andia ny (arYVelona(AYVA))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Maniry !
Maniry andia ny tavanao ny peniko
Maniry hamaritra
Hitantara ny tsetsatsetsa tsy haritra

Maniry hiloabava
Hifampisangy tsy ho rava
Far aha mba fantatrao mantsy
Dia asa!? …
Aleo aloa tsy ambara

Fa liana anie aho e
Liana ny ahafantatra
Fa iza moa ianao
Ireo zay niainanao
Asa!? Azoko atao?

Lavitra ny lalana izay nodiavina
Misy ny tsy ambara telo irina ho fafana
Ka raha sitrakao
Dia aleo aho ho eo anilanao
Hitampify tsy hiteny
Tsy hitaky tsy angataka fa …
Hijery sy hitana alahelo

“Maniry ny fo, na tsy fantatry ny saina,
Maniry ny aina, na dia tsy takatry ny vava aza ny amboraka ny ilaina”
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
654 1
Mpakafy: ArYVelonA7
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : arYVelona(AYVA)
Nampiditra : ArYVelonA7
Daty : 05/01/2018 06:47
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142