Taona vaovao, fiainana vaovao (Asaph's Mahane)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nandalovana ny dia, na ratsy na tsaraNandeha ny fotoana nandrakitra tantara
Nisy hantsana, lohasaha sy havoana
Nisy hafaliana sy tebiteby foana.
Teo ny andro somambisamby
Teo ny maraina mahafinaritra
Fa izao no tsaroana ao am-po
Nisy hery nanetsika, nanaitra ahy hifoha.
Taona vaovao indray no hisokatra
Toerana vaovao, làlana voasoratra
Entiko ny fanantenana sy ny finoana
Ho rakotra fahombiazana sy fandrosoana.
Fa ny ho avy no miantso ahy izao,
Mamelatra làlana mamiratra vaovao
Ny nofy tazako mamiratra ery
Ny foko tomady, vonona ho tia.
#asaph2024
#Bonnefindannée
--------
Rohy:
