'LAY TSIKINAO (AZRAEL)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
'Lay tsikinao mitsena ahy rehefa isika tafahaona,Dia mambabo fo, fanahy, ka satriko ho hitako foana,
Ilay tsikinao tsy maintsy raha mitonona ny anarako,
Tsiky feno mystery, mahampoka ny hasambarako...
Dia nanjary fahazarako ny miandriandry amoron-dalana,
Sao mantsy ianao handalo, hanopy tsiky ho ahy mahalana,
Ary koa mba hahatopazako 'reo volonao mialonalona,
Malefa-topa toy ny onja, milamindamina fivalona...
Ka tsy nanaiky ity foko fa nihoa-pefy sy nania,
Noho ny tsikitsikinao dia nanjary lasa tia,
Fa hay na aretina mitranga, na adin-tsaina no mikiky,
Dia levona sy foana ho azy rehefa sendra anao mitsiky!
--------
Lien:
Catégorie :
Fitiavana
