Ampidiro aloha ny tenimiafina
Raha ho avy ilay alina ts (AZRAEL)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha ho avy ilay alina tsy hifohazako marainaKa any ankoatra no fonenako vaovao
Dia eo an-tratranao malala no tiako hialana aina
Ka hihainoako farany ilay mandram-pihaonanao
Raha ho avy ilay maraina tsy hisy alina intsony
Ka any ankoatra indray no honenako any an-danitra any ambony,
Dia am-bavahadim-paradisa no iandrasako anao
Hiainantsika fiainan-tsambatra, tontolo vaovao
Rehefa ho rava sy ho foana izao tontolo izao
Ka izaho sy ianao indray no ho Adama sy Eva vaovao,
Dia haorintsika indray
Ilay Edena fahizay!!!
AZRAEL
--------
Lien:
Catégorie :
Aingam-panahy - Fitiavana
Fans:
azrael666
