VOADY (AZRAEL)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ry voninkazo fanaperana
Ao am-poko ao
Mbola misy toerana
Natokako ho anao

Te hahita anao mafy
Nefa tsy afaka manao ahoana
Hany hery mihafy
Ny irariana mbola hihaona

Hatramin'izao tsy niova loko
Ilay fitiavana ato anatiko
Ka mivoady ity foko
Ny hitia anao mandram-pahafatiko!!!

AZRAEL
--------
Rohy:
648 1
Mpakafy: azrael666
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AZRAEL
Nampiditra : azrael666
Daty : 28/11/2022 03:21
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143