You are here: home > Vetso

mitady fifaliana - Batr2o

Azo vakiana?

efa-impiry aho no nitady fifaliana
ho ahy sy ho anao nefa indrisy...
fa nisoko hatrany ny fijaliana...hatrizao
efa impiry...indray nitosaka ny tsiky
nefa tsy haintsika  nohazonina teo imolotr'eo
fa ny reko indindra ato anatiko dia ireo jaly sy toreo

iza no mpanome hafaliana...
tadiaviko izy.. ho tambazako...
nampianarina ahy ny hizara izay kely mba ananako
ka homeko azy ny fifaliako izay miserana mba hiotazako
hasambarana marina hanafaka ireo gejam-pahazarako


nampianarina ahy koa ny hoe:'ao anaty mangidy no misy ny mamy'
nefa aho efa leo zany ngidy zany
efa feno ny eto ka aleo aho mba handingana
iza...?....iza ireo mpampita hafaliana
tongava anio fa ny eto efa leo fijaliana

Sokajy : Alahelo, Fifaliana

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : Batr2o

Nampiditra : Batr2o
Daty : 30/09/2006
Mpamangy : 1120
Mankafy : 0