ANJARA VE....? (Bien aime)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Amiko !
Ezaka ny fiainana.....
Tsy mila anao be taraina
Fa mila mafy ny fisainana

Anjara ve....?
Tsy ekeko ny fisiany...
Fa ny dinitrao miraraka
Ampiana fiaretana
No ampy handoko sy handravaka
Fa tsy akory,fo ,fanahy,fiforetana

Fa raha ny kianjan-draoziraozy
fiantsana tononkira
Nandrontsan-dranomaso
fa...sisa sovenira !
Amin'ny tsivalan-damba fotsin'
ilay vatan-drangaranga
Dia manaiky anao fa misy
ny tendrim-peo osaosa hoe:''anajara''


Manaiky anao indrindra ny loha mitanondrika
rakotr'alahelo lalina
Ranomaso tsy hay fantarina
fo sentosento
Tsy ilairam-piezahana....

Anjara ve...?
Ekeko ny fisiany
amin'ny antso tsy hay toherina

Bien aime 07/03/19
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana
940 1
Mpakafy: Doverabiclo
Hevitra mandeha
hery ( 12/03/2019 18:25)
Tianao ve ilay tononkalonao misy feo? :-)
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Bien aime
Nampiditra : Doverabiclo
Daty : 08/03/2019 08:20
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139