You are here: home > Vetso

ILAY RAFINAO - Bien aime

Azo vakiana?

Malala a !
Etsy mba henoy aho....

Na aza tsy ho lazaiko
Nefa tsy maintsy ho fantatrao ihany
Ka sao ianao hanontany
Dia tsoriko eto androany
fa misy any ho any,
misy rafinao
Ilay tiko toy ianao
Izay tsy  haiko ho simbaina
tsy sahiko ho ratraina
na koa ambaniana
ny fisiany.....
Ka mandraka ankehitriny
Mbola tiko ,tena tiko loatra izy
na amin'ny mamy na amin'ny mangidy
Fa izy no mpanarina ahy amin'ny sampana tsy izy
mpampitsiky ny foko
raha sendra mitoloko
Raha iny aho mitanondrika
Ka lazaina etoana,sao ianao maika hiantoraka.....
Fa tiako ianao hahalala
Izy anie taloha e,fa ianao tafara
Saingy na izany ,aza araraka tomany
Ilay rafinao.....?
tsy iza akory izany
fa ilay ''ASA SORATRA ''ihany

bien aime 04/02/19


Sokajy : Fitiavana, vazivazy

Mombamomba

Mpanoratra : Bien aime


Nampiditra : Doverabiclo
Daty : 09/03/2019
Mpamangy : 499
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

FOKO MAHANTRA
FODY VERY AN'ALA
ANJARA VE....?
EKEKO....