You are here: home > Vetso

"Tsy hitia intsony" - dafa

Azo vakiana?

Raha mbola ny fitia
no tonga hampahory
dia nanapa-Kevitra aho ny tsy hitia
eny tsy hitia intsony..

Raha mbola ny fitia
no hahavaky ny kamory
sy tonga hampahia
sy tsy hampahita tory..

Dia haleoko tsy mitia
fa hijanona ho mpitazana
ireo mpifankatia
erakin'Ny lalana..

Ho arindriko ho vato
ny sisin'Ity foko
@ izay angamba vao hiato
ireo sento sy toloko..

Hidiko mafy ihany koa
ny vavahady fidirana
ka tsy hisy hahavoa
na manan_Kaena na sahirana..

Koa miangavy @ izay aho
aleo hiaina ankalalahana
fa aza dia sangianao
@ resaka fitiavana..

Ny ahy mantsy ny fitia
efa novonoiko
sy nofafako tato am-Poko...
#Dafa
20/12/2017

Sokajy : Fisarahana, Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha