Asa re... (Dan Mandimby)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Asa re!!!

Ny bitsiky ny alina
No nanampy ahy hiarina,
Ny tsikin’ny maraina,
No nahazoko herin-tsaina
 

Ho vonona, hiatrika ny androany
Hiady amin’ny ankason’ity tany.
Hanatratra izay tanjona sy faniriako.
Ka ho tanteraka anie izay mba tiako.
 

Ny hariva ny fodiana…
Dia efa maro ny faniriana.
Ka mampametra-panotaniana.
 

Rahampitso, hitovy ny anio ve ?
Hikatso, hisosa, asa re !
Ho paradisa sa ho afobe ?
--------
Rohy:
Sokajy : Hambom-po - fiainana
473 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Dan Mandimby
Nampiditra : Dan.Mandimby
Daty : 12/05/2020 08:16
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0155