Alohan'ny handaozany..... (David Andrianalaina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Alohan'ny handaozany.....


Fitia tampitrohatra no tsy misy mpanana
Mentrika atao ohatra mba ho fananana
Ny fitiavanao ry Neny mamiko sy tiako
Niafy ianao mba hanatanteraka ity faniriako

Herin-tsaina sy herim-po tampitrohatra ry Neny
Nentinao nanampy ahy ombieny ombieny
Raha misy olon-tiako indrindra eto an-tany
Ianao ry Neny , eny ianao hatrany hatrany

Manafina aretina ianao raha sendra marary
Mba tsy hampitaintaina ireto zanakao
Raha irery ianao niezaka foana ny nihary
Miady irery nefa toa tsy mba ré mitalao

Ry Neny malala be fitiavana indrindra
Rehefa tafita aho indray andro any
Ny fiainanao no iezahako mba hirindra
Fifaliana sy fiadanana ho anao hatrany

Alohan'ny handaozanao ity tontolo misompatra
Mahantra isika fa Andriamanitra tsy mba hanary
Ny herimponao ry Neny no raisiko ho ohatra
Hamaliako fitia izay nomenao ahy hatrizay

Ry Nanahary namela anay eto an-tany
Ampio iny Reniko iny fa mila fitiavanao hatrany
Omeo fifaliana sitrano raha marary
Ifonana aminao fa izahay tsy mba lavorary

Mendrika anao ny fanajana sy valim-pitiavana
Satria ianao no ohatra eo imason'ireo havana
Manaja safidin'izay nirin'ny fonao ianao ry Neny
Mendrika tora-boninkazo, averiko ombieny ombieny

Na lavo impiry aho nandritra ny fahatanorako sy fahazazako
Teo foana i Neny tonga nanarina ity fiainako be mpisompatra
Niezaka nanafina alahelo izy na dia efa norarako
Nanampy ity tongotro izy raha sendra niaka-tohatra

Voady ato am-poko aborako aminao ry Neny
Fahasambarana sy fiadanana tsy maintsy ho hitanao hatrany
Hiezaka aho fa tsy variana ny hiteniteny
Alohan'ny handaozanao............



David Andianalaina
13 septembre 2021
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana - Aingam-panahy
473 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : David Andrianalaina
Nampiditra : David John Lee Andrianalaina
Daty : 13/10/2021 05:34
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0104